12 jolay — I Jean Gualbert dia miaramila avy any Toscane nibebaka ho kristianina izy teo ampahitana ilay olona namono ny rahalahiny nandoalika teo an-tongony sy nitalaho ny ny famindram-pony ary nanankina ny fanahiny tamin’Andriamanitra. Teraka ny 995 izy.

Tao aorian’ny fibebahany dia niditra tao amin’ny fikambanana bénédictin clunisien tao San Miniato al Monte izy. Taty aoriana dia nifidy ny fiainana ny mafimafy kokoa izy ka nisintaka nakany Camaldoli, avy eo nanorina monastera tao Vallombreuse ny taona 1035 io moa no sampana vaovao avy amin’ny fianakaviam-be bénédictine. Tao izy no maty ny 12 jolay 1073.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...