19 jolay — Voalaza fa tao Roma no teraka i Arsène. Lasa diakra izy ary avy eo voatendry ho précepteur ny zanaky ny amperora Théodose I, tao amin’ny lapa tao Constantinople araka ny fangatahan’ny papa Damase I, izay nahalala ny fahamasinany.

Nandritra ny 10 taona no nanaovan’i Arsène izany adidy goavana izany, na dia teo aza ny tsy fanajana azy nasehon’i Arcadius sy i Honorius zanak’i Théodose. Nametra-pialana izy ary avy eo lasa nitoka-monina tany an’efitra tany Alexandrie. Rehefa maty Theodose dia nisintaka tany Scété izy, ary tao no nahafantarany ny fiainan’ny mpanirery niaraka tamin’i Masindahy Jean le Nain.

Naniry te ho olomasina tokoa i Arsène ka niezaka nanao ny fiainan’ireo mpanirery tany amin’ny tany efitra. Nifehy tena mafy izy ary nohalaviriny ny teny tsy voahevitra, notandrovany ny fanginana, nasehony ny maha sarobidy ny fanabeazana. Nanokan-tena hanirery sy hamola-tena mafimafy kokoa noho ny hafa izy. Voalaza fa nahavita nivavaka izy, eo am-panandratana ny tanany miakatra any an-danitra, manomboka amin’ny fiposahana ka mandram-pilentiky ny masoandro. Ny tena nampiavaka azy dia ny tomaniny isaky ny misy zava-mitranga. Hitomaniany avokoa, eny fa na dia ny tsy fahalavorariany sy ny an’ireo mpianany aza. Toa hoe niendaka avokoa ny volomasony noho izany tomaniny izany.

Tamin’ny taona 434 rehefa nananika tao Scété ireo baribary dia voatery nandao ny toerana nitokanany monina i Arsène. Voatery nipetraka tao amin’ny lava-bato tao Tourah akaik’i Memphis izy, avy eo tany Canope ary farany niverina tany Tourah indray, ary tao izy no nodimandry ny taona 450. Nambarany ny fahatahorany ho faty talohan’ny nialany aina am-piadanana. Taty aoriana kely dia nisy tantaram-piainany nosoratan’i Masindahy Théodore.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 febroary 2025

• Nankalazaina omaly 2 febroary ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiainana Voatokana. Anisan'ny nanamarika izany ny relijiozy rehetra teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, natao teny Mandrimena Iavoloha... • Nankalazaina tamin'ny zoma 31 janoary 2025 ny fetin'i Masindahy Joany Bosco, mpanorina ny Fikambanana Saleziana. Nitarika ny Eokaristia Masina tamin'izany ny Arsevekan'Antananarivo... • Mila ny fahazavan'i Kristy ny tontolo ankehitriny, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...