22 jolay — Niaina tamin’ny taonjato voalohany i Marie Madeleine rahavavin’i Marthe, anabavin’i Lazare izy. Nanan-katao tokoa ny ray aman-dreniny ary nandova trano be tao Magdala tao Galilée izy ireo. Izany no nahatonga ny anaram-bositr’i Marie hoe Madeleine izany hoe avy ao Magdala.

Niaina tao anaty ny filibana izy ka nahatonga azy nantsoina hoe ilay vehivavy mpanota. Eto moa dia samy manana ny filazany ireo mpandalina ny Soratra Masina ka mametra-panontaniana hoe olona iray ihany ve ilay antsoina hoe ilay vehivavy mpanota sy ilay vehivavy namoahan’i Jesoa demony fito. Ao amin’ny Evanjelin’i Masindahy Lioka dia voalaza fa i Marie Madeleine, ilay nanaraka an’i Jesoa hatrany Kalivery sy nahita voalohany azy nitsanga-kovelona. I Lioka ihany koa dia milaza fa izy ilay vehivavy voalohany amin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa. Ary ambaran’i Masindahy Joany fa nitsangana teo akaiky ny hazofijalian’i Jesoa i Marie Madeleine niaraka tamin’i Marie Renin’i Jesoa tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesoa. Izy ihany koa no nitondra ny zava-manitra hahosotra amin’ny vatan’i Jesoa tamin’ny maraina ny andron’ny sabata. Ary izay no nahatonga ihany koa ny filazana fa izy no nahita ny fasana nivoha sy nampilaza ny mpianatry i Jesoa sy ny Apôstôly. Izy izany no nanambara voalohany ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Ka izay no antony niantsoan’i Masindahy Hypolite azy hoe apôstôlin’ny Apôstôly.

Hitantsika matetika ao amin’ny Evanjely i Marie Madeleine. Mibanjina sy mihaino an’i Jesoa izy tao an-tranony tao Béthanie raha i Marthe variana nikarakara ny tao an-trano. Hoy i Jesoa tamin’izay hoe i Marie no nifidy ny anjara tsara. Voalaza ihany koa fa leo ny fampianaran’izy telo mianadahy ny olona ka nandefa azy ho any an-dranomasina tamin’ny lakana tsy misy fivoy. Na dia izany aza anefa dia nandeha araka ny tokony ho izy ihany ilay lakana ka tonga teny amin’ny sisin-tanin’i Marseille izy ireo. Ary i Madeleine avy eo nihanika tendrombohitra ary nitoka-monina tany, nentin’ny anjely. Nandritra izany fiainany tany izany moa i Marie Madeleine dia nitomany noho ny fahotany sady izany ihany koa no nanehoany ny fibebahana sy ny fitiavana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...