24 jolay — I Masindahy Charbel na Youssef Antun Makhlouf dia teraka ny tamin’ny 08 mey 1828 tao Bekaa Kafra tao Liban avaratra. Mpitoka-monina maronite izy io, libanais izany. Nobeazina tao amin’ny fitiava-bavaka, ary izay no nahatonga azy hirona amin’ny fiainam-bavaka ihany koa.

Nanara-dia ireo dadatoany anankiroa nitoka-monina tany amin’ny trano antsoina hoe Saint-Antoine de Qozhaya izy ary nanokan-tena tao. Ny taona 1851 no nandao ny tanana misy ny fianakaviany i Charbel fa Youssef no anarany tamin’izany ary nankany amin’ny trano fitoka-monina antsoina hoe Notre-Dame de Maïfouk. Tao no nanombohany voalohany ny maha mpitoka-monina azy, avy eo izy nankany amin’ny Saint-Maron tao Annaya tendrombohitra ao Liban. Niditra tao amin’ny fikambanana “Ordre libanais maronite” izy, ka tamin’izany no nakany ny anarana hoe Charbel iray tamin’ireo martirin’ny Fiangonana tao Antioche tamin’ny taonjato faharoa. Ny 01 novambra 1853 no nanonona ny voady tao amin’io fikambanana io izy. Avy eo nanohy ny fandalinana teôlôjia tao amin’ny trano fitoka-monin’i Saints Kibrianos-et-Justine tao Kfifan tao Batroun.

Ny 23 jolay 1859 no nohamasinina ho pretra tao amin’ny Patriarcat maronite tao Bkerké i Charbel. Nandritra ny 16 taona no nonenany tato amin’ity trano fitokana-monina Saint-Maron tao Annaya ity. Ny 15 febroary 1875 izy dia nifindra tany amin’ilay trano antsoina hoe Saints-Pierre-et-Paul, ary ny vavaka sy ny fitsaohana ny Eokaristia no nandaniany ny fotoanany tamin’izany. Ary tena ohatra ho an’ireo mpitoka-monina namany izy tamin’ny fahamasinana. Mahalana i Charbel no mandao ny trano fitokana-monina nandritra ny 23 taona niainany tao.

Ny 16 desambra 1898 teo am-panaovana ny Sorona Masina izy no tratran’ny lefakozatra. Ary niady aina nandritra ny valo andro. Dia nodimandry ny 24 desambra 1898. Tao aorian’ny nahafatesany dia voamarika fa nisy ra nitsika avy amin’ny vatany ary maro ny olona no nahita fa nisy hazavana mahagaga teo amin’ny fasany, ka nanomboka teo dia lasa toerana fanaovana fivahinianana masina ny io toerana io. Tsy vitsy ireo marary tonga eo mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Charbel. Marihana fa ny 05 desambra 1965 no nasandratra ho olotsambatra izy. Ary ny 09 oktobra 1977 ny papa Paoly VI no nanambara fa olomasina i Charbel Makhlouf.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...