27 jolay — Ny Nathalie resahana eto dia ilay Nathalie maty martiry tamin’ny taonjato fahasivy, novonoina niaraka tamin’ny vadiny. Mafy tokoa manko ny fanenjehana ny kristianina tany Cordoue tamin’izany fotoana izany ka raha teo ho velona dia tsy maintsy mifindra musulman.

[audio src="/images/sounds/saint-20200727.mp3" background="#0099ffff"]

Anisan’ny niharan’izany fanenjehana izany i Nathalie sy i Aurèle vadiny niaraka tamin’i Félix sy i Liliose izay havan’izy ireo ihany koa. Indray andro nahita kristianina izy ireo nadaboka teo ambony apondra ka natodika tany amin’ny rambonin’ilay apondra ny endriny, naboridana io kristianina io, nokaravasian’ireo mpampijaly nanaraka azy mandram-paratrany, teo ihany koa ny orakoraky ny mpandalo. Fa i Aurèle sy i Nathalie nandritra izany tsy nitsahatra sy naneho ny finoany am-pahibemaso. Niseho teny an-dalam-be ary i Nathalie sy i Liliose tsy nisaron-doha, satria moa izany no fomba musulman tsy maintsy misarondoha ny vehivavy ary tsy mampiseho tava. Nosamborina izy ireo niaraka tamin’ny vadiny avy dia i Aurèle sy i Felix izany. Ary ny 27 jolay 852 niaraka tamin’ny mpitoka-monina iray nantsoina hoe Georges, dia notapahana ny lohan’izy dimy ireo. Marihana fa i Abd al-Rahman II no nitondra tany Espagne, Cordoue tamin’izany fotoana izany. Ny taona 853 dia nentina tany amin’ny Saint-Germain-des-Prés tany Paris ny reliques an’izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...