09 aogositra — Teraka tao Breslau tao Allemagne ny 12 oktobra 1891 i Masimbavy Thérèse Bénédicte de la Croix. Edith Stein moa no tena anarany ary jody ny ray aman-dreniny.

Na dia noteazaina tao anatin’ny finoana jody aza izy, dia nisy fotoana nanalavirany ny finoana sy ny fivavahana ary ny fandalinana nataony no nahatonga azy hikaroka ny marina sy hihaino amim-panajana ny olona rehetra. Anisan’ny vehivavy vitsy, tamin’izany fotoana izany, nandranto fianarana tany amin’ny université i Edith Stein. Ary nisy akony lehibe tamin’ny fiainany ny fampianaran’i Husserl ka nahatonga azy ihany koa ho lasa mpampianatra filôzôfia tao amin’ny université tao Breslau ihany io.

Lasa liana tamin’ny finoana sy fivavahana àry, i Edith Stein, ka nirona tsikelikely tamin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy, na dia teo aza ny olana nateraky ny tsy fahazoan’ny fianakaviana izany safidiny izany. Ny taona 1921 mantsy rehefa avy namaky ny sangan’asan’i Thomas d’Aquin sy i Masimbavy Thérèse d’Avila izy dia nangataka ny hatao batemy tao amin’ny Fiangonana katôlika. Ka izany finoana izany no natambany tamin’ny fahalalana ara-pilôzôfia nanany ka nentiny nampianatra nandritra ny folo taona. Ny tena nimasoany dia ny fanomezan-danja ny fijery kristianina ao amin’ny olombelona.

Rehefa niha nahazo vahana ny fanjakan’ny nazisme dia niditra tao amin’ny fikambanan’ny karmely tao Cologne i Edith Stein ny taona 1933 ary nandray ny anarana hoe Thérèse Bénédicte de la Croix. Niady nanohitra ny ratsy izy tamin’ny fialana amin’ny fiainan’izao tontolo izao. Ary niezaka nanatratra ny fiainan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Niara-nijaly tamin’ireo vahoaka izy tamin’ireo fanenjehana kristianina. Voatery nitsoa-ponenana tany Pays-Bas i Edith Stein. Nosamborina tao amin’ny tranon’ny karmely tao Echt i Edith noho izany fijoroany ho vavolombelon’i Kristy izany, ary nentina tao amin’ny fonjan’i Auschwitz akaikin’i Cracovie, Pologne. Ka afaka valo andro tao aorian’izay izy dia nodimandry. Izany hoe nodimandry ny 09 aogositra 1942. Ny papa Joany Paoly II moa no nanandratra azy ho olomasina ny ny 11 oktobra 1988.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...