13 aogositra — Samy martiry tamin’ny taonjato fahatelo na i Pontien na i Hippolyte. Tamin’ny fanenjehana kristianina tamin’ny andron’ny amperora Maximin dia nalefa nanao asa anterivozona tany Sardaigne ny papa Pontien ary tena nampijaliana mihitsy mandram-pahafatiny.

I Hippolyte indray dia pretra romanina nanana toetra mizahozaho izay ary nanohitra tamin’ny fifidianana ny papa Calixte, izay lasa antipape voalohany tamin’ny taona 217. Voaheloka ho any Sardaigne ihany koa i Hippolyte ka tany izy sy i Pontien no nihavana talohan’ny nahafatesany. Ny 13 aogosita no hahatsiarovana ny famindrana ny sisa tolan’izy ireo. Tany amin’ny fasan’i Masindahy Callixte no nasiana ny an’i Masindahy Pontien. Ary ny an’i Hippolyte kosa natao tany amin’ny lalan’i Tiburtine.

Fa taloha dia nisy ihany koa Masindahy Hippolyte nankalazaina tao Paris amin’ity faha-13 aogositra ity. Miaramila romanina nampibebahan’i Masindahy Laurent. Ho fanomezam-boninahitra sy ho fanajana ny relikian’ity olomasina ity no nanorenana ny fiangonana Masindahy Hippolyte. I Fulrad, evaka tao Saint-Denis manko no nitondra an’io relikia io avy any Roma ny taona 1713. Tao amin’ny bulle nalefan’ny papa, ny taona 1158 no nahitana voalohany ny momba an’io fiangonana io izay lasa paroasy nisaraka tamin’ny fiangonana Saint-Marcel tamin’ny fiantombohan’ny taonjato fahatelo ambin’ny folo. Navaozina io fiangonana io ny taonjato fahadimy ambin’ny folo ka hita fa tsara noho ny taonjato fahafito ambin’ny folo ny fitaratra tao. Nisy mpanakanto antsoina hoe Lebrin sy Miñar nanao sary sokitra tamin’ny vola fotsy maneho an’i Masindahy Hippolyte. Nohidiana io fiangonana io ny taona 1771 ary nopotehan’ireo revolisionera ny taona 1807 ary tsy nisy afa-tsy ilay arcade sisa tamin’ny taona 1867.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...