20 aogositra — Teraka ny taona 1090 tao Fontaine akaikin’i Dijon i Bernard. Manam-boninahitra sy fanta-daza amin’ny fitava-bavaka ny ray aman-dreniny. Vao teraka izy dia efa natokan’ny reniny ho an’Andrimanitra. Io reniny io dia nanonofy fa ho masina io zaza io ao aoriana.

Indray andro fiaretan-torin’ny Noely, namonjy ny Sorona Masina i Bernard, rendremana izy ary tamin’izay no nahitany mazava tamin’ny nofiny ny zava-miseho tao Betilehema sy ny nimbanjinany an’i Jesoa teny an-trotroan’i Maria reniny.

Rehefa vitany ny fianarany amin’ny ankapobeny dia namaly antson’Andriamanitra izy teo amin’ny faha roapolo taonany teo. Niditra tany amin’ny fikambanana bénédictin izy, niaraka tamin’ny namany iraika amby telopolo. Tao ao amin’io trano fitokana-monina tao Citeaux, nohavaozina io izy ka tao no nivoaka ny relijiozy cistércien. Ny taona 1030 notendrena ho lehiben’ny ankohonam-pianana tao Clairvaux izy ary maro ny trano naoriny tao, efa nahatratra enipolo. Nitombo nanerana an’i Eoraopa izany ary ny asa-sorany ihany koa na ny taratasy na ny fandalinana ny fitiavan’Andriamanitra ary indrindra momba ny fampianarana Tononkira dia Tononkira dia maneho ny aim-panahiny amin’ny fibanjinana. Nodimandry ny toana 1053 i Bernard.

Ny vavaka lalim-paka no sekoly fandalinana ho an’i Bernard, ka nahatonga azy ho mpampianatry ny Fiangonana. Notiavin’ny olona tamin’ny fahaizany miteny sy manintona izy, ny fahalalany ary ny asa sorany, mpanolo-tsaina ny evaka izy ary naman’ireo papa nifandimby. Ny tena nahalalana azy dia ny fanajany ny Virjiny masina. Nitory ny vaovao mahafaly ihny koa izy nandritra ny ady faharoa ho an’ny tany Masina.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...