22 aogositra — Ankalazaina amin’ity andro ity i Maria Mpanjakavavy. Mpanjakavavy i Masina Maria satria mitovy amin’ny zaniny izay Mpanjakan’izao tontolo izao.

Hanampy antsika handinika izany ny voalaza ao amin’ny konsily Vatikana II hoe : “I Masina Maria Virjiny tsy misy pentina, narovana tsy ho voakasika tamin’ny fahotana tamin’ny fototra, noho ny tapitra ny fiaianany teto an-tany dia nakarina vatana sy fanahy any amin’ny voninahitra any an-danitra izy”. Nasandratry ny Tompo ho mpanjakavavin’izao tontolo izao mba hitoviany kokoa amin-janany, ilay Tompo tompon’ny tompo rehetra nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana.

Ity fankalazana ity dia nambaran’ny papa Pie XII tamin’ny taona 1954 tao aoriana kelin’ny ady taona vitsivitsy tao aorian’ny fanambarana ilay teny finoana momba ny fampiakarana an’i Masina Maria any an-danitra. Ny taona 1850 sady fanomezam-boninahitra an’i Masina Maria niseho tao Fatima. Tany am-boalohany dia ny 31 mey no natokana hanaovana io fankalazana fanajana an’i Masina Maria mpanjakavavy io fa ny papa Paoly VI no namindra azy ho amin’ny datin’ny 22 aogositra. Io papa io dia manentana sy mamporisika ny kristianina mba hanavao ny fanoloran-tena manokana amin’i Fo Madion’i Maria Renin’ny Fiangonana sy miaina izany ary maneho amin’ny fiaraha-monina ny fiainana araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fanompoana ny namana sy ny fankan-tahaka an’i Masina Maria mpanjakavavin’ny lanitra. Izany dia azontsika jerena ao amin’ny taratasy fanentanana apostolika nosoratan’i papa Paoly VI nampitondrainy ny lohateny hoe: “Signium magnum”.

Ny papa Joany Paoly II dia nangataka tamin’i Masina Maria mpanjakavavin’ny fiadanana ho an’izao tontolo izao, hoy izy nandritra ny vavaka tamin’ny Angelus ny 30 mey 1999 hoe : “Ry Maria mpanjakavavin’ny fiadanana, mpanjakan’ny olomasina rehetra, mivavaha ho anay ary omeo anay ny fiadanana ho an’izao tontolo izao”.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...