04 septambra — Teraka tamin’ny taona 1140 i Rosalie, tompomenakely tamin’ny fotoana nanjakan’i Guillaume I ny rainy, taranak’i Charlemegne izy io. Ho fankasitrahan’ny mpanjakavavy Marguerite, vadin’i Guillaume dia nanolotra tany tao an-tendrombohitr’i Pellegrino akaik’i Palerme izy.

Teo amin’ny fahefatra ambin’ny folo taonany i Rosalie no nisintaka nankany amin’io tendrombohitra io mba hitoka-monina, hanao fibebahana sy asa fivalozana ary hivavaka. Nitoetra tany izy mandram-pahafatiny ny 04 septambra 1170. Ambaran’ireo mpanadalina ny tantara fa anisan’ny antony nahatonga azy hifidy ny hanirery ny fandosirana ny fanambadiana izay noman-drainy ho azy ka nolaviny. Ka na tany aza izy dia nifindrafindra lava-bato matetika mba tsy hisy hahita ary voalaza fa misy anjely manoro toerana azy amin’izany fiafenana izany.

Ny taonjato fahatelo ambin’ny folo dia efa nisy nanaja an’i Masimbavy Rosalie fa nihanitombo ny fanajana azy io tamin’ny fahitana ny reliques ny 15 jolay 1634. Nentina tao amin’ny katedraly tao Palerme io reliques io, ary ny lava-bato tao amin’ny tendrombohitra kosa dia lasa ivon-toerana fanaovana fivahinianana masina ka nanorenana sanctuaire izay maro mpamangy tokoa.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...