05 septambra — Zanaky ny mpisoron’ny Tamieh tao Fayoum, tany amin’ny sisin-tanin’i Lybie i Raïssa. Roapolo taona izy tamin’ny fotoana nanjakan’i Dioclétien. Resy lahatra io amperora sy ny mpiara-miasa aminy fa hamotika ny fivavahana kristianina.

Nambara fa hoe ny kristianina sy ny barbares no loza mananontanona ny empire. Ny taona 303 àry namoaka didy i Dioclétien fa ampidirina am-ponja ny eveka sy ny pretra ary ny relijiozy rehetra, ary vonoina izay tsy manolotra sorona amin’ny sampy. Tamin’izay indrindra i Raïssa teo am-patsakana no nahita ireo pretra sy relijiozy nentin’ireo polisy ho any Alexandrie. Efa niandry azy ireo hotsaraina ny governora Culcien, izany hoe hiandry hamono azy ireo. Napetrak’i Raïssa ny sininy ary namonjy ny laharan’ireo pretra sy relijiozy izy. Natosika izy nefa niverina tery amin’ny entany izy ka nikikika mafy sy niantso hoe izaho kristianina. Ary sahiny ihany koa ny nanohitra ny sampy sy ny tsy mety nataon’ny amperora. Farany nampidirina ho isan’ireo hotsaraina ihany izy. To ny faniriany ho lasa martiry. Notapahan’izy ireo àry ny lohany ary ny vatany sisa natsipy tao anaty afo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...