12 septambra — Ny fankalazana ny fetin’ny anara-masin’i Maria Virjiny dia avy any amin’ny tanana iray tao Espagne, Nouvelle Castille. Tany amin’ny taona 1513 tany no nipoiran’izy io voalohany. Nofoanan’ny papa Pie V izy io tamin’ny taona 1570 ary naverin’ny papa Sixte V ka nataony ny 17 septambra ny fankalazana.

Tamin’ny voalohany tao amin’io tanana io ihany ity fety ity no nankalazaina, avy eo niitatra tany amin’ny diosezin’i Tolède dia avy eo nanenika an’i Espagne. Ny papa Clément X no nanome alalana ny fanjakana tao Naples mba hankalaza izany ny taona 1671. Ny diosezin’i Milan dia nankalaza izany ny 11 septambra ary ny hafa dia nankalaza ny ny 22 septambra. Tsy natao tao Roma io fankalazana io raha tsy tamin’ny 1683 tamin’ny andron’i Innocent XI, izany  dia atao ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fanafahana an’i Vienne teo amin’ny fiketrahan’ny Turcs ny 12 septambra 1693. Ny papa Innocent XIII kosa no nanely io fankalazana an’i Masina Maria Virjiny io ho an’ny Fiangonana maneran-tany ny taona 1721, ary ny papa Pie X no namindra azy ho amin’ny daty ny 12 septambra tamin’ny fanavaozana lehibe ny breviaire romain dia izao mbola tsaroantsika izao ihany koa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...