14 septambra — Tsaroatsika tsara fa tamin’ny 18 aogositra i Masimbavy Hélène, ilay renin’ny amperora Constantin no nahita ny hazo nifantsiahan’i Jesoa. Tamin’ny taona 335 dia nasain’i amperora Constantin ireo pretra nivory tao Tyr tamin’ny fitokanana ny bazilika roa tao Jerosalema ny 13 septambra, ho fankalazana ny faha-30 toana ny nahatongavany.

Ny ampintson’io, ny 14 septambra no nasehon’ny eveka tao Jerosalema ilay Hazo masina antsoina hoe Hyposis araka ny baiko nomen’i Constantin. Ary ireo pretra ireo izay nivory tamin’io fotoana io fa ny 14 septambra no fankalazana izany isan-taona. Nisy ampahan’io Lakroa io dia nentina tany Constantinople. Niely eran’ny Fiangonana tatsinanana izany fankalazana izany nanomboka ny toanjato fahafito fa ny tany Roma kosa dia nanomboka tamin’ny andron’ny papa Serge I.

Misy ireo olomasina manambara ny fahitan’i Masimbavy Hélène io Lakroa masina io sy ny fanajana azy, toa an-dry Cyrille tao Jerosalema ohatra, i Paulin tao Nole, i Sulpice Sevère, ary i Ambroise tao Milan. Samy manana ny fomba nahitany an’izany fahamarinan’izany hoe nahitana ny hazofijaliana masina izany izy. Ho an’i Cyrille ohatra dia hoe nisy am-pahany roa amin’io tena lakroa io nihanaka eran’izao tontolo izao, nitety an’izao tontolo izao. I Ambroise kosa mitantara ny fanajan-dreniny izany hazo masina izany. Ny 14 septambra 1241 dia nanaja io hazofijaliana masina io ny mpanjaka Louis IX, izany hoe ny reliques izany, io moa dia novidiany tamin’ny amperoran’i Constantinople tamin’izany fotoana izany.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...