21 septambra — Ny Matthieu resahana eto dia i Masindahy Matthieu ilay evanjelista. Jody i Matthieu na Matio, teraka tao Capharnaüm izy, tanana avaratra andrefan’ny farihy Génézareth ao Galilée. Zanak’i Alphée izy, ary Lévi no tena anarany. Mpamory hetra no asan’i Matthieu.

Olona nianatra sy nandalina ary nobeazina tamin’ny fomba grika izy. Indray andro, nandalo tao amn’ny biraon’i Lévi i Jesoa ka niangavy azy mba hanaraka azy. Nilaozany ny zavatra rehetra ka lasa mpianatr’i Jesoa izy, araka ny tantarainy ao amin’ny Evanjeliny, toko faha-9, andininy faha-9. Toy izao no voalaza ao : “Ary nony niala teo i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy izy taminy : Andeha hanaraka ahy hianao. Dia nitsangana izy ka nanaraka azy”. Nilaozan’i Lévi izany ny asa maha mpamory hetra azy, ary nandray ny anarana hoe Matthieu izy. Mba hifampizarany amin’ireo namany ny fahareseny lahatra dia nasainy niara-nisakafo taminy ireo namany ireo niaraka tamin’i Jesoa sy ny Apôstôly. Gaga ny Farisianina raha nahita an’i Jesoa niara-nisakafo tamin’ireo poblikanina fa hoy i Jesoa hoe : “Natao ho an’ny marary ny mpitsabo fa tsy ho an’ny salama. Fantaro fa ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona. Tonga hiantso ny mpanota aho fa tsy ny olo-marina”. Azontsika jerena koa izany ao amin’ny Evanjeli’i Masindahy Matio 9, 10-13.

Tao aorian’ny namantsihana an’i Jesoa dia nitoetra tany Egypte i Matthieu, avy eo nifindra tany Ethiopie, ary rehefa tonga tao Naddarer dia nitory ny Vaovao Mahafaly. Fa tao ihany koa no nifanandrinana sy niadivany tamin’ny fametsifetsena nataon’ireo mpanao magie izay nanambaka ny olona tao. Nampalaza azy koa ny nananganany ho velona an’i Euphranor, zanaka lahin’ny mpanjaka, ka nahatapa-kevitra ny mpanjaka sy ny fianakaviany hiroso handray ny batemy. I Iphigénie, zanaka vavin’ny mpanjaka tao Ethiopie dia nanokan-tena ho virjiny mihitsy, ary nitoka-monina tao amin’ny trano iray, niaraka tamin’ireo tovovavy namany. Io no trano fitokana-monina voalohany tao amin’ity tanana ity. Indray andro, naniry ny hanambady an’i Iphigénie ny mpanjaka Hyrtaque mba hahamora ny fahazoany ny fanjakana. Narovan’i Matthieu i Iphigénie, izay efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra. Tezitra noho izany i Hyrtaque ka naniraka olona hamono an’i Matthieu. Ka raha iny nanolotra ny Sorona Masina iny i Matthieu dia niakatra teny ambony ôtely ireo iraka ka namono azy avy hatrany. Hajain’ny olona fatratra ao Naddarer i Matthieu. Ny taona 956 dia nafindra tany Salerne tao Naples ny reliques, avy eo nafindra tao Beauvais tao France sy tao amin’ny trano fitokana-monina Visitation Sainte Marie de Chartres.

Araka ny nambara teny am-piandohana dia iray amin’ireo mpanoratra ny Evanjely i Matthieu ka amabrany ao amin’izany Evanjeliny izany ny tetiaran’i Jesoa, ny nahaterahany sy ireo fomba rehetra nifidianany ireo mpianany voalohany, dia toa izany koa ny nakan’ny demony fanahy azy tany an’efitra, ary ny amin’ny fiainan’i Jesoa niaraka tamin’ny Apôstôly.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...