25 septambra — Teraka ny 13 jolay 1013 avy amin’ny taranak’andriana tao Souabe i Hermann. Comte tao Altshausen ny rainy. Vao teraka izy dia voan’ny lefakozatra ka nahatonga ny anarany amin’ny teny latinina hoe “Contractus”. Tsy afaka namindra izy ary sarotra ho azy ny miteny.

Teo amin’ny fahafito taonany izy, izany hoe ny ny septambra 1020 no tonga tao amin’ny trano fitokana-monina tao Reichenau, eo amin’ny farihin’i Constance ary tsy niala tao mandram-pahafatiny. Nahazo ny fanabeazana mahazatra tao amin’ny trano fitokana-monina izy tamin’izany fotoana izany ary nomena andraikitra ho écolâtre. Tena nanavanana azy ny tantara sy ny mozika, toy izany koa ny matematika sy ny astronomie. Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fampitana ny fahalalana momba ny matematika sy ny astronomie i Masindahy Hermann tamin’ny fotoan’androny ary maro ireo arabo no tonga tao aminy. Izy ihany koa no nahita an’ilay fiteny amin’ny astronomie hoe : “Almicantarat” mba hilazana ilay boribory mifanandrify amin’ny bolan’ny faravodilanitra. Izy ihany koa no nahita ny “astrolabe”, milina fikajiana sy zava-maneno samy hafa ihany koa. Eo amin’ny zava-kanto dia sady mpamorona Hermann no poeta ihany koa. Teo amin’ny fahatelopolo taonany izy no nanao ny voady maha relijiozy. Nodimandry ny taona 1054 i Hermann ary nalevina tany amin’ny fasan’ny fianakaviany any Altshausen.

Maro ny asa soratra sy ny zava-kanto noforonon’i Hermann. Anisan’izany ny hira hoe : “Alma Redempotoris Mater” sy ny hoe “Salve Regina”. Santionany ihany ireo fa maro ny sangan’asany eo amin’ny resaka hira. Teo ihany koa ny boky tantara, ohatra amin’izany ny “Chronicon” nanomboka ny nahaterahan’i Jesoa ka hatramin’ny taona 1045. Dia notohizin’ny mpianany moa io boky io. I Berthold tao Reichenau no nanohy azy hatramin’ny taona 1080. Anisan’ny boky malaza nosoratany ihany koa ny hoe : “Vie des empereurs Conrad et Henri”, tantaram-piainan’ireo amperora ireo izany. Teo amin’ny mozika ohatra dia izy no nahitana ilay hoe : “Traité sur la musique”, ny “séquence” na koa ny antsa samihafa. Araka ny efa nambara teo hoe poeta izy, dia maro ny tononkalo nosoratany. Anisan’izany ny hoe “Sur les huit principaux vices” sy ny hoe “Martyrologe”. Nanavanana azy ihany koa ny matematika sy ny astronomie araka ny tantara norenesintsika teo. Dia anisan’izany ilay boky antsoina hoe “Traité du mois lunaire” sy ny hoe “De la composition de l’horloge” na ihany koa ny hoe “Règles pour le calcul chronologique”. Araka izany dia olona manam-pahaizana tokoa i Masindahy Hermann.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...