06 ôktôbra — Fianakaviana andriana no nipoiran'i Bruno. Teraka tao Cologne teo anelanelan'ny taona 1030 sy 1035 izy io. Nanomboka nianatra tao amin'ny Kôlejy Saint-Cunibert izy tao amin'ny tanana nahaterahany, avy eo nandalina ny filôzôfia sy teôlôjia tany Reims sy tany Paris.

Ny taona 1055 i Bruno no niverina tany Cologne ary nandray ny sakramentan'ny filaharana sy ny mari-pahaizana Canonicat. Ny taona 1057 izy no nantsoin'ny arseveka Gervais, tao Reims, hampianatra haisoratra sy filôzôfia ary teôlôjia ka nandritra ny roapolo taona no niandraiketany an'izany. Nambaran'ireo mpianany fa mahasarika sy mahay mampianatra i Bruno. Sady mpandalina izy no mpampianatra haisoratra, mpandaha-teny, loharanon'ny fahalalana ary mpampianatry ny mpampianatra. Izany no namaritan'ireo mpianany ny toetran'i Bruno.

Ny taona 1083, nanatona any Masindahy Robert de Molesm i Bruno, niaraka tamin'ny namany roa dia i Pierre sy i Lambert, mba angataka ny fanamian'ny mpitoka-monina, ka handeha hiataka any Sèche-Fontaine. Nentin'ny eveka tany an'efitra tany amn'ny Chartreuse anefa izy ireo, ary ny 1085 no niorina ny fiangonana voalohany tao. Nantsoin'ny papa Urbain II izy ny taona 1090 mba ho mpanolo-tsaina, nefa ny hanirery no masaka tao an-tsainy ka ny taona 1092 no nahazo tany tamin'ny comte Roger de Sicile izy ka nomen'ny papa alalana hanorina trano fitokana-monina. Ny taona 1094 no notokanana ny fiangonana tao. Ny 06 ôktôbra no nodimandry tao Santo Stefano del Bosco i Bruno ary nalevina tao ihany. Ny taona 1122 no nafindra tany Sainte-Marie-du-Désert, ny taolam-balony. Amin'izao fotoana izao dia mahatra fito ambin'ny folo ny isan'ny ankohonam-piaina mpitoka-monina lehilahy, dimy ny ankohonam-piainana vehivavy any Europe izay manara-dia an'i Bruno, ny iray any Etats-Unis. Efajato eo ho eo ny mpitoka-monina lehilahy ary zato ny vehivavy.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...