05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.

[audio src="/images/sounds/saint-20201105.mp3" background="#0099ffff"]

Ny Evanjelin'i Masindahy Lioka 1, 5-25 no hamakiantsika ny fiainan'i Zacharie sy i Élisabeth. Efa samy lehibe izy ireo, ary i Élisabeth dia enoka raha ny filazan'ny tantara ao amin'ny Soratra Masina. I Masindahy Lioka no mitatitra ny fahitan'i Zacharie, mpisorona, ny anjely Gabriel, irak'Andriamanitra milaza ny hahaterahan'ny zanany lahy. Io zanany lahy io ilay nambara teo hoe mpialoha lalana an'i Jesoa Kristy. Tamin'izay dia hoy ny anjely : "Nirahana hampahafantatra anao izany vaovao mahafaly izany aho". Vaovao mahafaly ho an'i Zacharie sy i Élisabeth izany ny fahatongavan'i Jean-Baptiste. Tao aorian'io filazana io dia lasa moana i Zacharie, sady narenina ihany koa, mandram-pahatongan'ny fotoana namorana an'i Jean-Baptiste. Ny antony dia tsy nino loatra izay volazan'ny anjely izy ka voasazy. Rehefa niteny izy dia nidera sy naneho hira fankasitrahana an'Andriamanitra, io ilay antsoin'ny Fiangonana hoe Tononkiran'i Zacharie na ny hoe "Benedictus".

I Élisabeth indray dia naneho ny hafaliany sy ny fankasitrahany raha vao mbola nitondra an'i Jean-Baptiste tany am-bohoka izy, tamin'ny famangian'i Maria. I Maria, renin'i Jesoa, sy i Élisabeth moa dia zanak'olona mpiray tampo. Mandram-piandrin'i Élisabeth ny ahaterahan'ny zanany, toa an'i Maria sy i Zacharie, dia nandinika izany tao am-po izy, nandinika ny fahaganana notanterahin'Ilay Avo Indrindra taminy. Nitana ny fanginana izy ary nitoetra irery nandritra ny dimy volana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...