08 nôvambra — Teraka tao Moulincourt, diôsezin'i Soissons i Geoffroy na i Godefroy. Fanta-daza tamin'ny hatsaram-panahy sy ny fitiava-namana ny fianakaviany, izay manam-boninahitra teo an-tanana ihany koa. Nanavotra fiangonana maro ny fianakaviany, ary saika hita hatrany izy ireo amin'ny fanaovana asa soa amin'ireo fadiranovana mila izany.

Zaza fahatelo i Geoffroy, ary mbola kely izy dia nentin'ireo ray aman-dreniny natolotra ho an'Andriamanitra tany amin'ny eveka tao Soissons, izay dadatoany ihany. Teo amin'ny fahadimy taonany i Geoffroy no nentin'io dadatoany io tany amin'ny trano fitokana-monina tao Péronne, ary nobeazina tao. Rehefa nitombo fahendrena sy fahalalana izy dia nohamasinin'ny evekan'i Noyon, ho pretra na dia nandà fa tsy mendrika izany aza. Notendren'ny Kônsily ho eveka tao Amiens izy. Natahotra izany toeram-boninahitra izany izy ka lasa nandositra. Nisy nahita anefa izy ka nentina niverina tany Amiens ihany ary napetraky ny arsevekan'i Reims tamin'ny toerana maha evekan'i Amiens azy. Nitafy ny lamba volonondry matroka i Geoffroy, tsy nanao kapa, tsy nikararo, namakivaky ireo vahoaka, faly nandray azy.

Isan'andro dia mahantra telo ambin'ny folo no miara-misakafo amin'i Geoffroy, ary izy no manasa ny tongotr'ireo. Namonjy ireo vehivavy nananontena sy ireo zaza tsy nanam-piahy izy, ary nanatitra sakafo ho an'ireo boka notsaboina manokana. Miaro ireo voailika sy voan'ny tsindry hazolena izy, ary tsy menatra manitsy ireo manararaotra fahefana sy manao kolikoly. Tsy tantin'ireo tompomenakely izany toetran'i Geoffroy izany ka nendefasan'izy ireo divay misy poizina izy. Nampahafantarin'Andriamanitra an'i Geoffroy anefa izany loza mananontanona azy izany. Ady, fandrobana, herisetra, izany no nanjaka tao amin'ny tananan'i Amiens, ka nahatsiaro tena ho tompon'andraikitra i Geoffroy nahita ny fahotan'ireto vahoakany ireto. Hany heriny, nandeha tany amin'ny fikambanan'ny Grande Chartreuse tany Genoble izy mba hanao asa fibebahana ho an'ireo ondriny, amin'ny alalan'ny famolahan-tena. Nandao ny diôseziny izy, tao aorian'ny Kônsily nasiônaly nataon'ny evekan'i France tany Vienne. Noho ny fangatahan'ny mponina tao Amiens anefa dia nanome baiko an'i Geoffroy ny eveka nivory tao amin'ny Kônsily tao Soissons ny taona 1115, mba hamerina amin'ny laoniny ny filaminana ao amin'ny diôseziny. Fankaherezana, teny entitra, fiangaviana, fampanantenana, izany rehetra izany no natao fa tsy nisy vokany mihitsy amin'ny fiovan'ireo vahoaka. Nampitahorin'i Geoffroy izay fahatezeran'Andriamanitra fa tsy nahoan'izy ireo akory izany. Dia hitan'i Geoffroy ny fahapotehan'ny tanana tao Amiens, ary tao aorian'izay dia narary mafy izy. Tao amin'ny trano fitokana-monina Saint-Crépin izy no nandray farany ny Eokaristia Masina ary nodimandry ny 08 nôvambra 1115.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...