27 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina tao Paris i Masindahy Séverin. Mpanirery izy io, ary rehefa nahita ireo mpitoka-monina mpibanjina sy mihiboka izy dia naniry ny mba ho tao izany koa, ka nihiboka tao amn'ny trano kely nanamorona ny reniranon'i Seine, nivavaka sy nandini-tena.

Maro ireo mponina tao Paris no naniry hanaraka azy, ary lasa mpianany. Niangavy an'i Séverin izy ireo mba hatao ho ohatra amin'ny fanajana sy ny fitiavam-bavaka ary ny fanetren-tena. Iray amin'ireo mpianany i Masindahy Cloud. Rehefa nodimandry i Séverin ny 23 nôvambra 555, dia nalevina teo amin'io toerana nonenany io ihany, ary zato taona tao aorian'izay dia lasa nisy fiangonana niorina, nampitondraina ny anarany teo amin'izany toerana nandevenana azy tao Paris izany.

Ny tena nandanian'i Séverin ny fiainany dia ny fibanjinana an'Andriamanitra. Ity olomasina ity no nangatahan'i Masindahy Cloud, zafikelin'i Clovis io, hanolotra azy ny akajon'ny mpitoka-monina sy hanapaka ny volony ho famantarana ny fandavany an'izao tontolo izao. Marihana fa ilay fiangonana mitondra ny anaran'i Masindahy Sévrin noresahana teo ity no tranainy indrindra amin'ireo fiangonana miorina amin'iny morony havia amin'ny reniranon'i Seine iny. Anisan'ireo fiangonana tsara endrika ao Paris, amin'ny kolontsaina gothique, ity fiangonana ity. Tamin'ny taona 650 no naorina io fiangonana io. Norobain'ny Viking izy io tao aoriana kely ary navaozina tamin'ny taonjato fahatelo ambin'ny folo, fotoana anjakan'i Philippe Auguste. Nohalebeazina io fiangonana io tamin'ny taonjato fahefatra ambin'ny folo, ary nitarina tsikelikely ireo chapelles tao anatiny ny taona 1498 hatramin'ny 1520.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...