18 desambra — I Gatien no eveka voalohany tao Tours. Ny vanim-potoana nitoriany ny Vaovao Mahafaly, dia samy manana ny filazany ireo mpikaroka mpahay tantara. Misy ny milaza fa niaina tamin'ny taona 251 hatramin'ny 304 i Masindahy Gatien, izany hoe ny taonjato fahatelo sy fahefatra.

Ao kosa anefa ireo tahirin-kevitra milaza fa mpianatr'ireo Apôstôly izy, izany hoe mety ho aloha kelin'io vanim-potoana voalaza io, tany amin'ny taonjato voalohany sy faharoa tany ho any. Ny itovizan'ireo tahirin-kevitra ireo anefa dia samy milaza fa ity Gatien ankalazaina ny 18 desambra ity, dia ilay eveka voalohany tao Tours. Ambara ao amn'ny tantaran'ity eveka ity àry, fa nirahana nitory ny Vaovao Mahafaly, niaraka tamin'ny fotoana nanirahana an'i Masindahy Trophime tany Arles, i Masindahy Martial tany Limoges, i Masindahy Saturnin tao Toulouse ary i Masindahy Denis tany Paris, ny fotoana nanirahana an'i Masindahy Gatien hitory ny Vaovao Mahafaly. Mbola tao anatin'ny haizin'ny fanompoan-tsampy ny fiaraha-monina tamin'izany fotoana izany . Tsapan'i Gatien fa nirona tamin'ny finoanoam-poana ny mponina tao amin'ity tanana nanirahana azy ity, amin'ny fanompoana ireo karazan'andriamanitra romana sy ny fanompoana ny amperora. Niezaka nitady izay fomba hanalana azy ireo tao anatin'izany haizina izany àry, i Gatien.

Natombony tamin'ny fanazavana ny maha tsinontsinona ny sampy sy ny tsy mampitombina ny fisian'andriamanitra maro ary ny hadisoana amin'ny fanompoam-pivavahana izay tsy maintsy hitsahoana ireo karazan'andriamanitra ireo, ny fampianaran'i Gatien. Rehefa vita izany dia nasehony azy ireo ny hazavan'ny finoan'ny Evanjely, nambarany azy ireo ny Andriamanitra marina, ny fiombonany sy ny firaisany, ary ny marina amin'izany finoana izany. Nampahafantariny azy ireo ny fisian'ny olona telo ao amin'ny Trinite Masina, ary noazavainy ny maha-zava-dehibe ny misterin'ny fahatongavana ho nofo sy ny fahatongavan'i Jesoa Kristy teto ambonin'ny tany, ary ny mbola hiveranan'ny Mpamonjy, hitsara, hanome valisoa ireo izay nanao asa soa nandritra ny fiainany ary hanameloka sy hanasazy ireo nanao ratsy. Nozarin'i Gatien ihany koa ireo mponina tao Tours, amin'ny fanompoam-pivavahana amin'Andriamanitra marina, manoloana ireo fahazaran'izy ireo tamin'ny fanompoan-tsampy. Sarotra ny niainan'i Gatien izany satria tao ireo nanohitra, nisy mihitsy aza nanapaka ny fampianarany. Ao ireo mitory any amin'ny manam-pahefana , ao ireo mamono na mandrahona ho faty mihitsy. Rehefa nandinika sy nihaino izay natoron'ny Tompo azy i Gatien, dia nihery tany amin'ny lava-bato, nataony ihany tamin'ny vatolampy iray nanamorona an'i Loire, izay taty aoriana, nanorenana trano fitokana-monina. Noho ny herin'ny Tenin'Andriamanitra dia nisy ihany koa ny fahagagana nasehon'i Gatien, tamin'ny alalan'ny famantaran'ny hazofijaliana, ka nahatonga ireo tsy mpino hibebaka, ary nampihena ny fanenjehana. Nahazo alalana hanorina fiangonana izy tao aorian'izay mba hivavahana, ka nahatratra valo ny isan'izany. Olona malina i Gatien, ka nanorina fasana ivelan'ny tanana ihany koa izy, handevenana ny krsitianina nodimandry, satria tamin'izany fotoana izany dia noraran'ny amperora ny fandevenana ny kristianina tao an-tanana. Rehefa tontosany ny adidy rehetra tamin'io iraka nampanaovin'Andriamanitra azy io, dia tsy nanam-paniriana afa-tsy ny lanitra izy. Efa nandindona azy ny ora sy ny fotoana handraisany ny valisoa. Tao anatin'ny aretina izy no nisehoan'ny Tompo, ary ny tanan'ny Tompo mihitsy no nitondra ny Vatany Masina ho fankaherezana an'i Gatien. Herinandro tao aorian'ny nandraisany ny Vatan'ny Tompo dia nodimandry izy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...