28 desambra — Efa hatramin'ny taonjato faharoa ny Fiangonana no namarika ny 28 desambra ho fahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny novonoin'i Hérode noho ny hatezerana, satria hoe hisy zaza teraka handray ny fahefana amin'ny maha mpanjaka azy.

[audio src="/images/sounds/saint-20201228.mp3" background="#0099ffff"]

Araka ny voalaza ao amin'ny Evanjelin'ny Masindahy Matio 2, 13-18, rehefa tsy niverina ireo Majy izay nanontanian'i Hérode ny toerana misy izany zaza vao teraka izany, ka nampanantena azy ireto Majy fa hanoro ny toerana misy ilay Mpanjakan'ny Jody vao teraka, dia nasain'i Hérode novonoina avokoa ny zazakely roa taona no midina tao Bethléem sy ny manodidina, satria noheverina fa anisan'ireo i Jesoa. I Jesoa anefa tamin'izany dia efa nentin'i Joseph sy i Marie nankany Egypte.

Ao amin'ny fombam-pivavahana dia antsoina hoe tsy manan-tsiny ireo zaza ireo, ary heverina fa martiry novonoina noho i Kristy. Tsy mba nisy mpiaro, toa ilay zanak'ondry nentina hovonoina araka ny voalaza ao amin'ny Izaia 53, 7 sy ny Asan'ny Apôstôly 8, 32 izy ireo. Amin'izao vanim-potoana iainantsika izao dia maro ireo ankizy iharan'ny herisetra ary voatohintohina ny hasina maha olona azy ireo, voahosihosy ny zony ary ny fiainany. Tsy lazaina intsony ireo zaza mbola any am-bohoka, tsy mahita ny anjara masoandrony akory dia alana aina. Heloka bevava izany, nefa dia misy lalana sahy manalefaka sy manome alalana ny fanalan-jaza. Noho ireny indrindra no mahatonga ny Fiangonana mankahery ny kristianina, hiady sy hanohitra izany herisetra izany, ary mampirisika ihany koa amin'ny fanajana ny aina sy ny soatoavina amin'ny maha masina azy ; ary indrindra ny asa fitiava-namana amin'ny fanampiana ireo reny miandry vohoka, ny fananganana ireo zaza tsy misy mpiahy ary ny fampivoarana ny fanabeazana ireo zaza ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...