I Masindahy Fabien sy i Masindahy Sébastien no tsaroana ny 20 janoary. I Masindahy Sébastien dia teraka tao Narbonne tamin'ny taonjato fahatelo ary anisan'ny niady mafy niaro ny Fiangonana Katôlika Romana. I Fabien kosa dia evekan'i Roma.

Masindahy Sébastien

Ny toetra tsara sy ny fahaizany dia fantatry ny tao an-dapa. Nivaka tokoa izy ka nahatonga ny Amperora Dioclétien hifidy azy ho lehiben'ny tarika voalohan'ny tafika mpiambina ny lapa. Nahafahany nanatanteraka tsara ny irak'Andriamanitra taminy io toerana io. Maro ny mpanompo sampy no nibebaka. Tao amain'ny ny fahasoavan'Andriamanitra ka nisy fotoana hamafisin'ny fahagagana izany hafanam-pony izany. Farany, nisy kristianina izay nivadika ka nitory an'i Sébastien ho kristianina tany amin'ny Amperora. Niseho teo amin'ny fitsarana izy, tsy natahotra nanoloana ireo mpampijaly ary nanambara ampahibemaso fa mpianatr'i Jesoa Kristy. Inona izany lazainao, hoy i Dioclétien, nomeko anao avokoa ny tombon-tsoa rehetra, monina ato an-dapako ianao nefa dia fahavalon'ny Amperora sy ireo andriamanitra ianao amin'izao. Dia hoy i Sébastien: "Miantso an'i Jesoa Kristy lalandava aho mba ho famonjena anao sy ho fiarovana ny fanjakana, ary tiako hatrany Ilay Andriamanitry ny lanitra". Tezitra mafy ny Amperora ka nanolotra an'i Sébastien tamin'ireo tafika amin'ampinga mba hotifirina amin'ny tsipìka izy. Rapa tanteraka ny vatany, ary navelan'izy ireo nilona tamin'ny rano teo izy mba ho faty, nefa nisy vehivavy kristianina nandray sy nikarakara azy ka sitrana izy.

Izy mihitsy indray no nandeha nitolo-batana tany amin'i Dioclétien avy eo. Gaga io nahaita azy ka nanao hoe: "I Sébastien ilay nasaiko novonoina tamin'ny toraka tsipìka ve ianao?". Dia hoy i Sébastien: "Nanasitrana ahy ny Tompo ka nahafahako manohitra ny tsy rariny mahazo ny kristianina, izay olom-pirenena maahtoky amin'ity fanjakana ity". Nasain'ny Amperora notarihina teo amin'ny lapa fanaovana fampisehoana miaraka amin'ny biby masiaka izy ka nokapoahana tamin'ny kibay. Ny 20 janoary 288 no tapitra ny fijaliana ka nandraisany ny valisoany any an-danitra. Antsoina mba hiaro amin'ny pesta sy ny areti-mifindra i Masindahy Sébastien.

Masindahy Fabien

I Fabien indray dia evekan'i Roma nandritra ny 14 taona. Izy no faha-20 hita amin'ny lisitry ny papa nifandimby hatramin'izay 10 janoary 236 ka hatramin'ny 20 janoary 250 no nitantanany ny Fiangonana teo amin'ny Fiketrahana masina. Lahika i Fabien, nonina tao Roma. Tamin'izay tao anatin'ny fotoana hifidianana izay handimby ny papa Antère ny Fiangonana dia indro nisy voromailala nipetraka teo ambony lohan'i Fabien ka nihoraka ireo mpivory hoe "mendrika izy". Dia nohamasinina ary napetraka teo amin'ny Fiketrahana masina i Fabien ny 10 janoary 236.

Nanamarika ny taonjato fahatelo ny asan'i Masindahy Fabien. Rehefa nitsahatra kely ny ady noho ny fanenjehana ny kristianina dia nohararaotiny ny hamerenana amin'ny laoniny ny filaminana tao amin'ny fiangonana romanina izay nakorontan'ny fifandirana momba ny foto-pampianarana. Tamin'izany koa no nametrahany ny fitantanana maty paika. Nanendry diakra fito izy mba hitarika ny fari-piadidian'ny fiangonana naoriny tao Roma. Noheverina fa i Fabien no apôstôlin'i Gaules satria eveka ftio no nalefany ho misionera tany. Nezahany ihany koa ny nikarakara ny fasana nilevenan'ny papa teo alohany: i Pontien sy Hippolyte. Tamin'ny faran'ny taona 249, nanenjika ny kristianina ny Amperora Dèce, nosamborina sy nampijaliana i Fabien ary notapahana tao Via Appia Antica ny lohany ny 20 janoary 250. Avy eo moa izy nalevina tao amin'ny fasan'ireo papa antsoina hoe Catacombe de Saint-Calixte.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...