Niandany tamin'ny mahantra i Jesoa, ary ankinin'i Jesoa amintsika ny fikarakarana ny mahantra izay hitsarana antsika any am-parany. Ny tsy mampandray anjara ny mahantra amin'ny fananany manokana dia mangalatra amin'izy ireo sy manala amin'izy ireo ny Ainy satria tsy ny fananantsika no tazomintsika fa ny azy ireo. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny mahantra dia ireo izay ahiliky ny fiaraha-monina, ireo tsy afa-mandroso araka ny tokony hoy izy. Ankehitriny ny fitiavana manokana ny mahantra dia mipaka hatrany amin'ireo vahoaka be tsy hita noanoa : noana, fadiranovana, tsy manan-kialofana, tsy afa-mitsabo, ireo kivy sy milaza ho resy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny zavatra ananan'ny olona ara-drariny dia tsy tokony ho tazominy ho azy samirery na oviana na oviana, fa tokony ho heveriny hoe hiombonana amin'ny hafa. Izany hoe tsy tokony ho izy irery no hahazo tombotsoa amin'izany fa ny hafa ihany koa. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Endrika isehoan'ny fahafahan'ny olombelona ny fananana manokana. Ny nolavin'ny finoana kristianina hatramin'izay dia ny zo hanan-javatra manokana tsy misy fepetra ary tsy azo tohinina. Ny fananana manokana dia fitaovana enti-milaza fa natao ho an'ny daholobe ny harena eran-tany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco