Ny fampianarana momba ny Litorjia dia tokony ho isan'ny taranja fototra, amin'ny ambaratonga rehetra amin'ny fianarana ara-pinoana. Maha izy ny Eglizy ny Litorjia, tokony hampianarina amin'ny fomba teôlôjika sy ara-tantara (niandohany, heviny, fivoarany) Tsy zavatra ivelan'ny fianarana ara-pinoana ny Litorjia fa taranja fototra amin'ny fampianarana teôlôjika... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

Ny fampiofanana litorjika ho an'ny pretra sy ny seminarista dia natao hikendrena fandalinana, hampiofana ireo mpitarika litorjia. Tokony ho ampy sy lalina ny fampianarana momba ny Litorjia ao amin'ny seminera sy toeram-piofanana rehetra : tsy vitan'ny olona tokana ny fampiofanana. Ny pretra sy ny diakra dia mpitarika noho izany tsy maintsy mahafehy tsara ny hevitry ny Litorjia... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

Ny fandraisan'ny vahoaka anjara mavitrika, tsy hanavahana. Ny Eglizy dia maniry fatratra mba ny rehetra,olon-drehetra, dia handray anjara amim-pinoana sy amim-panahy amin'ny fankalazana Litorjika ; satria izany no loharanon'ny fiainam-panahy kristiana. Ilaina ny fiofanana mba hahafahana mandray anjara, sao dia manaonao foana, mba mahalala ny fizotra ny Litorjia... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

Ny Sacrosanctum Concilium no fo sy fototra teolojia nitarika ny fanavoazana rehetra niseho tao amin'ny Litorjia taorian'ny Konsily Vatikana-II. Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy midika hanova amin'ny tsy antony, fa hanavao amin'ny fanajana ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina : hanatsara ny fahatakarana sy fandraisan'ny vahoaka anjara, hanala izay zavatra tsy ilaina... Katesizy momba ny fanainga ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...