Amin'ny maha mpiandry ondry ny Eveka dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka sy be herim-po izy amin'ny fanahafana an'i Jesoa Kristy ka hazoto sy hanetritena hatrany amin'ny fanatontosana ny adidiny. Amin'ny fanatanterahany amin-kitsim-po sy am-pitiavana ny asany, miampy ny hanitry ny fitiavam-bavaka ao aminy no hanamasinan'ny Eveka ny tenany... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Miseho amin'ny endrika maro ny fahamasinana, niainga tamin'ny safidim-piainana manokana ny famaliana ny antso ho amin'ny fahamasinana, ny maro nijanona ho lahika, fa ny sasany niroso tamin'ny fanokanan-tena ho pretran na relijiozy.Ho fikatsahana ny fahamasinana dia miara-misalahy sy mifanome tanana hifanompo sy hifampitondra mankany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Lalan-kizorana hahatongavana any amin'ny "antso loloha lanitra" ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy ny fananana hatsaram-panahy. Tsy ezaky y nofo aman-dra no hahazoana io fahamasinana io fa fahasoavan'Andriamanitra izay mifototra indrindra amin'ny hatsaram-panahy. Olom-boafidin'Andriamanitra isika ka tsy maintsy mitafy famindram-po... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Hoy Jesoa "Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra ; fa ara-baiboly dia mitovy tanteraka ny hoe "masina" sy ny hoe "lavorary". Noho izany dia sady antso no faniriana lalina ao amin'Andriamanitra ny hahamasina antsika. Ny fananana ny fahamasinana no fototry ny famonjena... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco