Ny anarana hoe "Elia" dia midika hoe "Ny Tompo no Andriamanitra". Raha ny Soratra Masina no jerena dia ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka 17 ka hatramin'ny Boky faharoa Mpanjaka 2 no ahitana ny mombamomba an'i Elia Mpaminany. Tsy hita taratra loatra ny niandohany ary ny tanjony ihany koa tsy hita mazava tsara satria izy moa noentin'ny kalesy nakany an-danitra, izay no mahatonga ny Soratra Masina milaza ho miandry ny hiverenany. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.
Tsy nijanona teo amin'i Jesoa ihany akory ny Salamo fa mbola mitohy hatramin'izao androtsika izao. Azo lazaina fa tena mbola avokavoky ny vavaka na ilay atao hoe litorijian'ny fiangonana ny Salamo. Vavaka tsara indrindra sy sarobidy ny Salamo. Raha ao amin'ny Testamenta Vaovao dia ny Rainay any an-danitra no vavaka tsara indrindra izay nampianarin'i Jesoa ny mpianany, fa ny ao amin'ny Testamenta Taloha dia ny Salamo. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
I Jesoa kristy dia Jody ; izany hoe nanaraka ny fomba Jody sy ny fivavahana Jody ; noho izany dia isan'ireo nampiasa be ny Salamo teo amin'ny fiainany Izy. Porofon'izany, ohatra tamin'ny alakamisy masina dia voalaza fa rehefa avy nihinana niaraka tamin'ny mpianany i Jesoa sy avy nanorina ny Eokaristia dia nanao hira fiderana Izy sy ny namany ; torak'izany koa tamin'ny Jesoa teo amin'ny hazo-fijaliana dia niteny, teny maro avy ao amin'ny Salamo. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny Salamo dia vavaka tao amin'ny tempolin'ny Jody ; ny fanoratana azy dia tao amin'ny tontolo manodidina ny tempoly. Tsy nijanona ho vavaky ny tempoly fotsiny anefa ny Salamo fa nitohy tamin'ireo Sinagôga isan-tanàna. Nanana anjara toerana lehibe teo amin'ny fivavahana Jody ny Salamo, tsy nifidianana toerana fa na Tempoly na Sinagôga... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco