Tsy misy zavatra maha-olombelona marina izay tsy mampihetsi-po ny fon'ny mpianatr'i Kristy ; ity fanambarana ity dia manasongadina ny hasin'ny maha-olona. Ny Gaudium Et Spas dia manasa ny Fiangonana sy ny Kristianina rehetra hanana fijery misokatra sy feno fitiavana amin'ny olombelona sy ny tontolo iainany, ka tsy hijanona amin'ny fitoriana fotsiny fa hiditra lalina amin'ny zava-misy ... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

 Ny Gaudium Et Spes dia foto-pampianarana pastoraly, navoakan'ny Konsily Vatikana-II, tamin'ny taona 1965, miresaka ny fiangonana manoloana ny vanin'andro ankehitriny, mampiseho ny fifandraisan'ny Fiangonana sy izao tontolo izao. Ny hafalian'ny olona sy ny fanantenany, ny alahelony dia hafalian'ny mpianatr'i Kristy no fanantenany ary alahelony ihany koa ... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Vavaka namaranan'ny mpitarika ny vavaka teo aloha ny hoe "Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny fiadanan'ny Tompo" no mampiditra amin'ity fizaram-piadanana ity. Ny fanao aty Madagasikara dia amin'ny alalan'ny fifandraisan-tanana ary misy hira atao mandritra izany sady misy fihetsika ; ny voalaza ao amin'ny boky fanaovana lamesa dia mifandray tanana toy ny mifampiarahaba ary miteny hoe "Fiadanan'i Kristy... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Tononina izy amin'ny lamesa andavanandro, na amin'ireny lamesa tsotsotra ireny, na amin'ny fanompoam-pivavahana tsy misy lamesa. Misy "formule" fampiasa ao amin'ny boky fanaovana lamesa "Missel" izay ny mpitarika no manomboka azy hoe " Manaraka ny didy nomen'ny Mpamonjy isika, ary nampianarin'Andriamanitra ka sahy manao hoe" dia miaraka manonona ny "Rainay..."... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...