Maro ny fianakaviana amin'izao fotoana izao no tsy mahafantatra an'Andriamanitra Mpahary azy intsony, na minia tsy mahafantatra, na mino Azy ihany saingy noho ny fiainana andavanandro dia hadino Izy Andriamanitra. Ny fitsaohana an'Andriamanitra dia fanehoana fitiavana izay manova fianana. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Ny feon'ny fieritreretana dia ny fandinihan-tena ao anatin'ny vavaka mba hivelomana ny tsara sy handosirana ny ratsy. Tsy mionona fotsiny amin'ny fanarahana ny lalàna ara-bakiteny ny fandinihan-tena fa mizotra mankany amin'ny fahalavorariana raha mitsinjo ny hafa. Ny feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra mibitsika mangina ao anatintsika. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Eo amin'ny fianana maha-kristiana dia ao anatin'ny vavaka hatrany no tokony hanaovana ny fandinihan-tena. Ny fandinihan-tena amin'ny alalan'ny fampiasana ny feon'ny fieritreretana no mampivoitra ny tena Fiainana, izany hoe, tsy mitondra mankany amin'ny lalandison'ny fandravana sy ny fahafatesana mandrakizay. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Ny tsy fahalavorariantsika olombelona no tena mitondra  antsika hanao fahadisoana matetika, na manao ezaka goavana aza isika. Matetika ny fontsika no mifikitra amin'ny harena na hatsaràna na talenta izay hananantsika ka entintsika hivelarana eo amin'ny fiainana, tsy foy zaraina mba hansoa ny hafa. Ampiasaina ny feon'ny fieritreretana hampandrosoana ny hafa. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...