Betsaka tamin'ny mpianatr'i Jesoa no tsy dia nahazo mazava tsara ny fampianarany ka lasa nandao Azy, teo koa ny fikonokononana hamadika Azy nataon'i Jodasy ; tamin'izay anefa i Jesoa no nanomboka niteny mazava ny fijaliany sy ny fahafatesany. Tao anatin'izany toe-javatra izany i Jesoa no niakatra tany an-tendrombohitra niaraka tamin'ny mpianany telo lahy ary niova tarehy... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...