Ny Jody : mifandray amin'Andriamanitra amin'ny fivavahany sy ny finoany izy fa tsy mifandray mivantana amin'ilay Eglizy vahoakan'Andriamanitra. Ny vahoaka Jody no anisan'izay nandray ny fampanantenana ary notiavin'Andriamanitra mandrakariva noho ireo Patriarka teo aminy ; tsy narian'Andriamanitra velively ny olony hoy i Masindahy Piera Apôstôly... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.