Tsy natao ho an'ireo olona nanokan-tena ho an'Andriamanitra irery ny fitoriana sy ny fitaomana ny olona hanatona an'Andriamanitra fa asan'ny Eglizy manontolo, anisan'izany ireo vita Batemy rehetra. Ny vita Batemy dia voaantso hijoro ho vavolombelon'i Kristy na aiza na aiza misy azy, na aiza na aiza ivelomany. Adidin'ny Kristianina ny mampiely ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.