Manamasina sy mizaka ny ampahan'ny andian'ondrin'ny Tompo nankinina aminy ny pretra eo ambany fifehezan'ny Eveka. Mikatsaka sy mitsinjo mandrakariva ny hahasoa ny vahoakan'Andriamanitra miaraka amin'ny Eveka ka tsy tokony hiraviravy tanana na hiroro fo sy saina eo amin'ny Diôsezy misy azy amin'izany fikatsahana ny soa ho an'ny andian'ondriny nankinina taminy izany... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.