Ny Lahika dia tokony ho tia sy hanaja ny zava-boary fa ireny indindra no maneho ny fahefan'Andriamanitra ary enti-midera sy manome voninahitra Azy Mpahary. Manaja ny Mpahary isika rehefa manaja ny zavatra nohariany. Tena manana adidy tsy azo ialàna ny isam-batan'olona manambatra ny hery, manaja ny kolontsaina voadion'ny Evenjely, manaja ireo soatoavina, manaja ny hasin'ny olombelona... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.