Hoy Jesoa "Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra ; fa ara-baiboly dia mitovy tanteraka ny hoe "masina" sy ny hoe "lavorary". Noho izany dia sady antso no faniriana lalina ao amin'Andriamanitra ny hahamasina antsika. Ny fananana ny fahamasinana no fototry ny famonjena... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...