Fanomanana ny fahatongavan'ny Mpamonjy no fototra nahatongavan'i Masina Maria ; izy ilay virijiny hanana anaka hiteraka zazalahy omena anarana hoe Emanoela. I Masina Maria dia ilay zanaka vavin'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana, ary nahatanterahan'ny fandaharana vaovao fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona, ho famonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.