Amin'ity taona 2025 dia feno 75 taona no nambaranan'ny Papa Pie-XII, tamin'ny fomba manetriketrika ny 1 novambra 1950, fa rehefa nahavita ny fivahinianana Masina teo an-tany i Masina Maria dia nampiakarina "vatana" sy "fanahy" any amin'ny voninahitry ny lanitra. Tsy niteny mihitsy ny Papa Pie-XII, mikasika izay mety ho fahafatesana na fitsanganan-ko velon'i Masina Maria fa nihanona tamin'ny hoe "nampiakarina" izy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.