Andriamanitra no mpahary, manana adidy hiahy sy hamelona ary hamonjy ny olombelona izay nohariany Izy. Lavo noho ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ny olombelona satria nandika ilay fandraràna (Voankazo voarara). Samy tompon'andraikitra i Adama sy Eva tamin'ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ; isika kristianina ankehitriny raha mitazana fotsiny ny loza mety hahazo ny ralahintsika sy ny namantsika dia meloka... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 novambra 2026

• Nafindra ho isaky ny Alahadin'i Kristy Mpanjaka ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora isaky ny Diosezy, nanomboka ny taona 2021… • Higadona rahampitso ao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny “reliques” an'i Md François d'Assie, manohy ny fitetezam-paritra ataony mialoha ny famaranana ny Jobily faha-800 taona nahafatesany… • Mitovy avokoa isika rehetra eo anatrehan'ny lalàn'Andriamanitra, hoy ny Ray masina nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...