Ny paka dia fiampitana avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa vaovao. Tamin'ny andron'Israely dia alina no fotoana nihinana ny zanak'ondrin'ny Paka, mba hanehoana fa Andriamanitra no manazava, Izy no manala ny vahoaka ao anatin'ny haizina mikitroka. Ny haizina voalaza eto dia ireo izay nihatra tamin'ny zanak'Israely : fanandevozana, famoretana, fanitsakitsahana ny zo maha-olona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.