Ny litorjia manavao amin'ny fombafomba masina dia tsy manimba ny fomba litorjika manan-danja izay efa ao amin'ny Eglizy tatsinanana sy tandrefana fa manaja sy manampy amin'ny fanavaozana azy. Ny tanjon'ny Sacrosanctum Concilium dia ny hanavao ny litorjia mba ho fanehoana mazava ny misterin'i Kristy sy fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.