Na zava-dehibe aza ny Litorjia dia tsy ampy raha tsy misy fitoriana sy fanabeazana finoana. Olona mino sy mibebaka no mankalaza ny Litorjia. Ny olona tsy mbola mino dia mila ampidirina amin'ny finoana amin'ny alalan'ny fitoriana ny evanjely sy katesizy, ary izay vao afaka mandray anjara amin'ny Litorjia, izay vokatry ny finoana... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.