Ny fianarana momba ny Litorjia dia tsy amin'ny soratra fotsiny fa amin'ny fanazaran-tena sy fanatanterahana mivantana. Tokony hanana traik'efa amin'ny fankalazana ny seminarista, amin'ny vavaky ny Eglizy, amin'ny Eokaristia, amin'ny Sakramenta. Ny fiofanana Litorjika dia tsy fanazavana teôlôjika fotsiny fa fampianarana miaina ny misterin'i Kristy amin'ny fomba Litorjika... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.