Aoka ny Eveka hikarakara mba hisy fiofanana litorjika ho an'ny pretra efa miasa amin'ny asa pastoraly. Mila fampahatsiahivana sy fanavaozana tsy tapaka ny pretra amin'ny fankalazana. Tokony hisy fivoriana, fianarana, retraites spirituelles ho amin'ny fanavaozana ny fahaiza-mitarika amin'ny Litorjia. Ny pretra dia miaina ao anatin'ny fanavaozana mitohy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.