Miankina amin'ny Eveka ny andian'ondry any amin'ny Diôsezy, io moa no iraka napetraka taminy satria ny Eveka no mpiandriondry nanakinan'i Kristy ny ondriny. Vatan'i Kristy miray amin'ny filohany no miara-mankalaza ny Litorjia, ankohonan'Andriamanitra iray manontolo anefa ny vatan'i Kristy, noho izany tsy asan'olona iray ny Litorjia fa fankalazan'ny Eglizy ny sakramentan'ny fiombonana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.