Mandeha amin'ny toerana iray ny Kristiana mba hamonjy ny fiaraha-mivavaka hankalaza ny Eokaristia. Ny Tenan'i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben'ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Samy manao ny anjarany amim-pahavitrihana avokoa ny reheta amin'ny fankalazana : vaky teny, fizarana kôminio... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.