Ny fankalazàna ny Eokaristia na Lamesa na Sorona Masina, araka ny fahalalantsika azy dia manomboka eo amin'ny hira fidirana na fanombohana ary mifarana amin'ny hira fanirahana. Mivelatra ho fizaram-potoana miisa roa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny : voalohany ny famoriana na fanokafana ny fankalazana ary ny faharoa dia ny fankalazana ny Sorona na ny litorjian'ny Eokaristia... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...