Ny fanokafana ny fankalazana dia fandraisana ireo rehetra tonga hamonjy Lamesa, no sady hisarihana ny fo amam-panahin'ny mpino hifantoka ao anatin'ny fankalazana, azo adika ho famondronana izany. Ao anatin'ny hira fanombohana no hidiran'ny mpisorona miaraka amin'ireo mpandraharaha rehetra eo amin'ny sorona, mandritra izany koa ny fiarahabana ary ny fanomanana ho amin'ny fifonana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.