Mandritry ny fidiran'ny mpitarika otronon'ireo pretra miaraka mankalaza sy ny mpanotrona eo amin'ny sorona no hanaovan'ny vahoaka ny tononkira mifanandrify amin'ny venti-kevitry ny litorjia ankalazaina amin'iny andro iny, izay ilay hira fidirana. Ny tononkira fidirana dia teny avy amin'ny Soratra Masina, fohy mamintina na mampifandray, ny foto-kevitra amin'iny andro fankalazana iny... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.