Ao anatin'ny fankamasinana dia misy dingana telo : ny fiangavian'ny mpitarika ny fidinan'ny Fanahy Masina hanamasina, fanamasinana ny mofo sy divay ho lasa vatana sy ran'i Kristy ary ny fanandratana. Rehefa vita ny Masina izay fihobiana an'Andriamanitra tompon'ny hery sy ny fahamasinana rehetra dia tohizin'ny pretra mpitarika ny vavaka miainga amin'iny tonom-bavaka "Masina" iny... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.