"Koa mihanta Aminao izahay, arotsahy ny Fanahinao Masina hanamasina ireto fanomezana ireto ho zary Vatana sy Ran'i Jesoa Kristy Tomponay" sady manao famantaran'ny hazofijaliana eo ambonin'ireo mofo sy divay havadika ho Vatana sy Ra ireo pretra mpitarika ; io vavaka io dia mety miova ny fomba filazana azy araka ny vavaka fisaorana na vavaka Eokaristika fa ny vontoatiny dia tsy miova... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...