Ilay Teny Tonga Nofo no mampiray ny ololmbelona, tamin'ny ohatra nomeny. Tsy niolonolona fa niray petsapetsa tamin'ny olona rehetra afa-tsy tamin'ny fahotàna. Nanamasina ny fiainam-pianakaviana sy fikambanana izy, tamin'ny fampianarany hifampitondra toy ny mpirahalahy, tamin'ny fivavahana nataony (Mba ho iray anie izy rehetra), Didy nomeny ny ha-fianakavian'Andriamanitra ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.